Ary rehefa tonga teny an-tsisin’ ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin’ ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin’ ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.